Zañaharinay, Mahery

(Athanas MAZAVA)

Voninahitra ho an'Andriamanitra
Any amin'ny avo indrindra
Ary fiadanana ho an'ny olona ety ambonin'ny tany
Zañaharinay e e e ! Mahery e !
Lolohavinay e e e ! An-tampon'ny loha à à à à à !

Midera Anao, mankalaza Anao ‘zahay e !
Mitsaoka Anao sy mihoby Anao ‘zahay e !
Misaotra Anao eram-po, eran-tsaiñy e !
Andriamanitra Mpanjakanay e e !

Ry Zanak' Ondrin'Andriamanitra e e !
Ry Tompo Andriamanitray e !
Manala ny fahotan'ny olo jiaby e !
Afaho ny helokay e e !

Anao zaraiky no añabo indrindra e !
Ry Tompo Andriamanitray e !
Haja ndraiky voninahitray e !
Nihinao jiaby e mandrakizay e e !

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 240
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0203