Voninahitra ho an’Andriamanitra Zañahary

(Edouard Tongavelo)

Voninahitra ho an'Andriamanitra
Andriamanitra Zañahary
Any ambony indrindra
Fiadanana ho an'ny olombelona
Ety ambonin'ny tany e e ia !
Fa nanehoany, fa nanehoany ny fitiavany
Oia e e ! maharavoravo, navy ny mêva (in-4).

Vahoaka : Oia e, maharavoravo navy ny meva (in-4)

Midera Anao ! mankalaza Anao zahay e !
Mitsaoka Anao zahay,
Mankasitraka Anao zahay
Miara-mihoby ny hasinao izahay e !

Misaotra Anao izahay,
Noho ny haben'ny voninahitrao
Ry Tompo Andriamanitra Mpanjakan'ny lanitra
Zañahary sady Babanay mahefa ny raha jiaby e !
Zañahary sady Babanay mahefa ny raha jiaby e .!

Ry Jesoa Tomponay, Zañahary Zanaka
Talañolo araiky
Tomponay, Zañaharinay, Zanak'ondrin'Andriamanitra
Manala ny fahotana ka mamindra fo aminay e !
Manala ny fahotana ka mamindra fo aminay e !

Manala ny helokay, ka raiso ny fifonanay e !
Anao an-kaherin-Jañahary ka mamindra fo aminay
Anao araiky ankitiny no masiñy,
Anao araiky koa no Tompo... (in-2)
Anao araiky no ambony indrindra ry Jesoa Kristy e !
Miaraka amin'ny Fanahy Masina,
Ao amin'ny voninahitry Zañahary e !
Ny voninahitr'Andriamanitra
Zañahary Baba, Amen amen e e oia . (in-2).

Nampiditra admin
Sokajy Voninahitra
Antsao ny Tompo p. 238
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0664