Nony afaka havaloana, raha tao an-trano ny mpianany

Nony afaka havaloana
raha tao an-trano ny mpianany
ary nirindrina ny varavarana
dia tonga i Jesoa niteny tamin'izy ireo hoe:
"homba anareo anie ny Fiadanana", Aleloia!
(Jo. 20, 26)

1 Ny foko midera ny Tompontsika,
Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.

2 Fa indro manomboka ankehitriny
 Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
 Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
 Ilay hoe "Ny Masina no anarany".

3 'Lay mandrakizay ny indrafony
Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.

4 Manongana ireo izay mpanjakazaka
 Kanefa manandratra ireo ambany;
 Manototra soa an'ireo noana
 Fa mampody maina an'ireo mpanana.

5 Mpanarina an'Israely olony
 Satria mahatsiaro ny indrafony
 Nampanantenainy ny razantsika
 Ho an'i Abrahama sy izay taranany.

6 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
 Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
 Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
 Ho mandrakizay alaovalo!

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2035