Izaho, hoy ny Tompo, no tena mpiandry ondry

Izaho, hoy ny Tompo, no tena mpiandry ondry
Fantatro ny ondriko, ary mahalala Ahy
Antsoiko amin'ny anarany avy izy ireo,
Mihaino ny feoko dia mahafantatra Ahy
Ary manaraka Ahy, Aleloia! Aleloia! (Jo. 10, 14)

1. Ianao, ry Tompo ô, dia mandinika ny amiko 
ary mahafantatra ahy.

2. Na handry hatory aho, na hitsangana hifoha
Dia fantatrao izany, dia fantatrao izany, 

3. Na lavitra aza Ianao, dia efa azonao an-tsaina
Ny ao an'eritreritro ao

4. Dia eo ambany masonao, ny atoriako sy alehako
Mahazatra Anao ny lalako, mahazatra Anao ny lalako

5. Fa ny teny mbola tsy ao am-bavako aza moa, ry Tompo,
Efa fantatrao daholo, efa fantatrao daholo

6. Na aloha na aoriana, dia voambombanao aho
Ny Tananao miaro ahy

7. Fahalalana mahagaga ambony loatra ho ahy izany
Avo loatra ka tsy takatro! Avo loatra ka tsy takatro!

8. Aiza moa no handehanako, handosirako lavitra
Ny Fanahinao misaina ahy?

9. Ary aiza no handehanako handosirako any lavitra,
Ny salovan-tavanao, ny salovan-tavanao, ?

10. Na miakatra mananika ny lanitra aza ahao
Dia indro any Ianao, dia indro any Ianao

11. Na dia mandry mitakiky anatin'ny Seoly aza,
Dia indro eo Ianao.

12. Na halaiko aza ny elatry ny mazava atsinanana
Hilasiako an-dafin-driaka, hilasiako an-dafin-driaka.

13. Dia ny Tananao ihany no mitarika ahy ho any
Ny Tananao no mihazona ahy

14. Ka hoy aho manao  hoe: "Hanarona ahy, hiafenako 
Ny haizina mikitroka, ny haizina mikitroka"

15. Fa manjary hazavana manodidina ahy ny alina
Ary na ny aizina aza, ary na ny aizina aza, 

16. Tsy mba maizina aminao, ary ny alina toa ny andro
Ka mazava dia mazava, ka mazava dia mazava

Ô,  ry  Ray,
Hoderaina anie Ianao, Ilay nahary anay rehetra
Tam-pitiavan-dehibe

Ô, ry Zanaka,
Miangavy indrafo avy aminao izahay mpanota
Rehefa hitsara anay Ianao, rehefa hitsara anay Ianao

Ry Fanahy ô:
Ianao Mpisolovava anay zanak'Andriamanitra
Amin'ny andro farany any, amin'ny andro farany any

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0547