Olombelona ‘zahay Tompo ô

(RANDRIA Jerôme)

Olombelona ‘zahay Tompo ô !
Mahatsiaro diso taminao,
Milela-paladia Anao, omeo tso-drano.
O ô ! ô ! ô ! Tompo ô ! ( in-2 ),
Mamindrà fo aminay !

Mbola very izahay Kristy ô ! ô !
Nohon'ny otanay isan'andro
Satria tsy nihaino Anao, k (a) avelao ny helokay,
Ô ô ! ô ! ô ! Kristy ô ! ( in-2), mamindrà fo aminay !

Mba sasao re ‘zahay Tompo ô ! ô !
Fa vonon-kanaraka Anao,
Na aiza no alehanao, Tompo ô ! vonjeo ‘zahay.
Ô ô ! ô ! ô ! Tompo ô ! (in-2), mamindrà fo aminay !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 232
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224