Tsy nahay nitia

(Mathieu)

Tsy nahay nitia ireo namanay izahay,
Ka miaiky ny hadisoana Tompo ô !
Amorony fo madio re izahay ;
Mamindra fo aminay Zañahary ô!

Sitrapo mibaiko anay, menatra izahay,
Fa naniasia izahay ka rendrika;
Taminao izahay Jesoa no meloka;
Mamindra fo aminay ry Zoky tia.

Tsy mba hainay ny mankasitraka,
Rendrarendra nandanianay ny andro.
« Soa lavo hahay mamindra » izahay;
Mamindra fo aminay Zanahary ô !

Mamindra fo,
Mba iantrao Ray ô!
Fa nania izahay ka mifona re !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 232
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009