Tonga teto

(T. Julie Helmine)

Tonga teto amin'izao tontolo izao Ianao,
Nampianatra ny olombelona hifankatia,
F'izahay tsy nandray ny fitiavanao;
Tolory tànana izahay Tompo ô !
Tompo ô ! mamindrà fo aminay ianao ! - (in-2).
Mifona re ka mamelà ny helokay !

Lehibe sy mahagaga ny fitiavanao,
Kanefa re nodianay tsy hita akory;
Naleonay nanalavitra ny lalanao,
Tolory tànana izahay Kristy ô !
Kristy ô !mamindrà fo aminay Ianao ! - (in-2)
Mifona re ka mamelà ny helokay !

Fitiavana no asainao iainanay e !
Nefa osa sy malemy izahay;
Marobe koa ny mpisompatra sy ny mpialona;
Tolory tànana izahay Tompo ô !
Tompo ô ! mamindrà fo aminay ianao ! - (in-2)
Mifona re ka mamelà ny helokay.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 231
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094