Tsapako tokoa

(RANDRIA Jerôme)

Tsapako tokoa ry Tompo ô !
Ny hadisoako taminao isan'andro
Tompo ô ! mamindrà fo aminay ! (in-2).
Raha miverina Aminao.

Matetika izahay Kristy ô ! ô !
Tsy mifamela heloka toy ny zaza
Kristy ô ! mamindrà fo aminay ! (in-2).
Raha mifona Aminao.

Ny helokay ry Tompo ô ! no efitray
Mampisaraka Anao aminay
Tompo ô ! mamindrà fo aminay ! (in-2).
Raha mibebaka Aminao.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 231
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095