Fatratra ny fitiavanao ny olombelona, ry Jesoa ô ! - Tompo ô mamindrà fo aminay

(Jean de Dieu Rakotohavana)

Fatratra ny fitiavanao ny olombelona, ry Jesoa ô !
Nefa izahay anie ka tsy miraika tamin’ny Fitiavanao !
Tompo ô ! mamindrà fo aminay e !

Ny hamonjy anay mpanota no nidinanao hanetri-tena !
Nefa izahay anie ka tsy namaly ny antsom-pitiavanao !
Kristy ô ! mamindra fo aminay e !

Koa mivalo aminao izahay e,
Ry Andriamanitray ô !
Tompo ô ! mamindrà fo aminay e !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 228
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0186