Vahotra ny vavanay

(Jean Louis Tombolaza)

Vahotra ny vavanay, tsy nitory ny Teninao ;
Jamba maso izahay, tsy nibanjina ny voninahitrao.
Ianao ry Ray ô, no andry iankinanay,
Ka mamindrà fo aminay Tompo ô ! -- in-2

Marenina ny sofinay, tsy nihaino ny hafatrao ;
Valaka tanana izahay, tsy nandray ny Vatanao.
Ianao ry Jesoa ô, no Zoky be fitia,
Ka mamindrà fo aminay Kristy ô ! (in-2).

Reraka ny tongotray, tsy namita ny irakao ;
Marary fo izahay, tsy nandray ny Fitiavanao.
Ianao ry Fanahy ô, no mpanalalana anay e,
Ka mamindrà fo aminay Tompo ô ! (in-2) .

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 225
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0682