Kyrie

(Mathieu)

Tompo ô ! mamindrà fo !
- Kyrie Eleison.
Sarobidy eo imasoko ianao
Sady izaho, tia Anao e !
Ray be, mpamindra fo
Miandry ny hiverenanao.

Kristy ô ! mamindà fo !
- Christe Eleison.
Ny famindram-po ihany no sitrako
Tsy tonga ho an’ny marina aho e !
Fa ho an’ny mpanota mibebaka
Tsy manao an-dolompo.

Tompo ô !mamindrà fo
- Kyrie Eleison.
Nanao tsinontsinona ny anaranao izahay
Tsy nahay mba nankasitraka e !
Ifonanay izay hadisoana
Aza mitana heloka.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 223
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091