Izahay izay nantsoinao, Hampiely ny hafatrao,

(Marc sy Dieudonné)

Izahay izay nantsoinao,
Hampiely ny hafatrao,
Nefa ninia nanampin-tsofina,
Tsy nihaino ny teninao.
Tsapanay, ô ry Tompo ô !
Fa diso lalana izahay,
Ka nahatonga anay izao,
Hibebaka sy hiantsoantso hoe :

« TOMPO O ! MAMINDRA FO AMINAY ».

Lay fitiavaña natolotrao,
Tamy ranao sy ny ainao,
Tsy nampiharinay akory,
Tamin’ireo namanay.
Tsapanay, ô ry Tompo ô !
Fa helokay tokoa izany,
Ka nahatonga anay izao,
Hibebaka sy hiantsoantso hoe :

« TOMPO O ! MAMINDRA FO AMINAY ».

Ianao irery, ô ry Tompo ô !
No mba manaña fo mpiantra,
Ka mifona re izahay
Fa nitsipaka ny lalanao.
Tsapanay, ô ry Tompo ô!
Fa tsy mendrika izahay,
Eo anatrehan’ny namanay
Sy eo anatrehan’ny Ray malalanay.

« TOMPO O ! MAMINDRA FO AMINAY ».

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 221
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0469