E e, Fahazavana sy Lalana

(Omer)

E e ! e e ! e e ! e e !
Fahazavana sy Lalana Ianao,
Nefa re izahay sahy mitsambiki-mikimpy,
Tsy tia ny mazava.
Fa midi-kizo manamaizina hatrany ny fiainanay
-- Tompo ô ! mamindra fo aminay !

E e ! e e ! e e ! e e !
Fahamarinana sy Famindram-po Ianao,
Nefa re izahay sahy manao ireo madinika
Ho tohatra fiakarana.
Ka mamafy lainga handrodanana tsotra izao ny marina
-- Kristy ô ! mamindra fo aminay !

E e ! e e ! e e ! e e !
Fitiavana sy Fiainana Ianao,
Nefa re izahay sahy mankahala namana,
Tsy tia ny endrikao
Amin'ny hafa fa mifofo ny ain'ireo miandry fitia.
-- Tompo ô ! mamindra fo aminay !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 219
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091