Ry Rainay Mpahary ô

(Clovis Jaosoa)

Ry Rainay Mpahary ô! mifona re 'zahay,
Fa hita miharihary re, ny fisarahanay (in-2).

Ry Rainay Mpahary ô ! mifona rô 'zahay,
Fa hita miharihary re, ny fahadisoanay (in-2).

Na diso aza re zahay, ekeo ny vavakay,
Ka ataovy ho iray anie, ireto zanakao. (in-2).

Ry Rainay Mpahary ô! mba iantrao re zahay;
Mba avelao ny otanay, diovy ny fonay;
Mba avelao ny otanay, ka handraisanay Anao.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 217
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0845