Teo imasonao

(Edouard Tongavelo)

Tompo ô ! jereo aho (amindrao fo)
Amindra fo, fa manirery sy mahantra.

Teo imasonao no nanaovako ny hadisoako:
Maloto ny foko noho ny adalako
Tao anatin'ny ota zaho notorotoronina
Teo anatrehako mandrakariva ny fandrika.

Ifonako aminao ireto ota vitako:
Efa tsy voatanisa ny fitiavan-tena;
Voton-dranomaso, trotraka noho ny alahelo
Menatra ny tavanao aho ka mahatsiaro fa resy
-- Kristy ô ! jereo aho (amindrao fo)
-- Amindra fo, manirery ka mahantra.

Aza tebahanao raha mbola maniasia;
Areno raha sendra lavo, aza ariana lavitra Anao
Mba todiho maso na tsy mendrika Anao;
Sasao tanteraka noho ny rà nalatsakao.
-- Tompo ô ! jereo aho (amindra fo)
-- Amindra fo fa manirery ka mahantra.

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 215
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141