Tompo ô ! Tompo ô !

(Gérard Razafindramaro)

Tompo ô! Tompo ô !
Mamindra fo aminay ! (in-2).

Nanota taminao zahay
Sy tamin'ireo namanay
Ka dia diso tokoa izahay
Mifona zahay ka mivalo
Mamelà re!

Ianao ilay nandresy ny fahotana
Nitondra anay amin'ny hazavana
Ka aza tezitra aminay
Mpanota zahay ka mivalo
Mamelà re !

Nampiditra admin
Sokajy Fifonana
Antsao ny Tompo p. 215
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091