Sambatra ianao, ry Maria - Andron'ny Laika 2019

HIRA FANEVAN’NY ANDRON’NY LAHIKA 2019
FENOARIVO-ATSINANANA

Sambatra ianao, ry Maria e e e
Fa  nino ny tenin’ilay mpitondra hafatra
Nilaza fa ianao no ho Renin’Andriamanitra
Tonga hamonjy izao tontolo izao

Ref :     Nino tokoa ianao ry Maria e e e
        Ka afaka nilaza tamin-tsitra-po hoe :
        «  Inty aho ankizivavin’ny Tompo
        Aoka ho tanteraka araka ny teninao ».

Ny finoana nanananao, ry Maria Reny Malalanay
No nanosika anao nirotsaka avy hatrany
Hiara-miasa amin’ny Tompo Zanahary
Ho famonjena ny olon-drehetra a a a

Andao Zalahy eee
Hagnano karaha nataon’i Maria
Tsy misalasala nagneky hiara-miasa
Tamin-Jagnahary
Hagnatanteraka ny sitra-pony

Mivavaha ho anay ry Reny Masina ô ô ô
Mba hiombona aminao anie izahay
Hitondra ilay Teny eran’ny vazan-tany
Hitondra hafaliana sy fanavotana

Nampiditra admin
Sokajy Samihafa
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091