Tsy navelan’Andriamanitra ho lo

Tsy navelan’Andriamanitra ho lo
Ny vatan’ny Tompo
Ka natsangany indray izy e ia ! Aleloia !
Nakariny añy an-dañitra e ia !
Teña veloño ô !

Tamin’ny andro voalohany e ia : -- aleloia !
Loso i Maria Madeleine a a : -- aleloia !
Nihazakazaka tany amin’ny fasaña e ia : -- aleloia !
Nitondra ilay menaka mañitry e ia : -- aleloia !

Mahagaga ny zavatra hitany e ia : -- aleloia !
Nisy anjely nañano lamba fotsy e : -- aleloia !
Nañambara ny zava-niseho ô ia ! : -- aleloia !
Tafatsangaña tatô ny Tompo ô ô : -- aleloia !

Tsy mba nandiñy olo maro ô : -- aleloia !
Nañala ny hidin’ny fasaña e ia : -- aleloia !
Efa tsy ao amin’ny toeran’ny maty Izy eia -- aleloia !
Veloño mandrakizay ny Tompo ô ô -- aleloia !

Aleloia a a ! -- aleloia !
Aleloi, aleloia, Paka -- aleloia !
Aleloia, a a ! -- aleloia !
Aleloia, veloño tatô Jesoa Tompo ô : -- aleloia !

(P. Paulin T.)

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Antsao ny Tompo p. 210
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098