Izaho no ilay mpiandry ondry tsara

Izaho no ilay mpiandry ondry tsara
Izaho no ilay mpiandry ondry tsara
Izaho no ilay mpiandry ondry tsara
Izaho no ilay mpiandry ondry tsara

1. Mahafantatra ny ondriko aho
Ary fantatr'izy ireo.
Toy ny ahalalan'ny Raiko ahy
Sy ahalalako Azy koa
No ahafoizako ny aiko
Ho an'ny ondriko rehetra
Izany no didin'ny Raiko,
Izany no didin'ny Raiko!
Izany no didin'ny Raiko,
Izany no didin'ny Raiko!

2. Mbola manana ondry hafa Aho
'Zay tsy ao anaty vala.
Ka tsy maintsy hitarika azy ireny
Handrenesany ny feoko,
Mba ho iray ny andian'ondry
Ary ho tokana ny Mpiandry.
Izany no didin'ny Raiko,
Izany no didin'ny Raiko!
Izany no didin'ny Raiko,
Izany no didin'ny Raiko!

3. Matoa anie ny Ray tia Ahy
Noho Izaho mahafoy ny aiko,
Mba handraisako azy indray koa
Tsy hesorina amiko izy,
Fa Izaho no mahafoy
Sy mandray azy indray...
Izany no didin'ny Raiko,
Izany no didin'ny Raiko!
Izany no didin'ny Raiko,
Izany no didin'ny Raiko!

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091