Indro ny Tompo

Mpitarika: Indro ny Tompo. -- Indro ny Tompo
Velona indray Izy e ! -- Velona indray Izy e !
(Indro ny Tompontsika).
(Fa velona tokoa Izy ô !).

Izy ilay nahafantatra ny hanoanana,
Izy ilay niaritra ny havizanana,
Izy ilay tsy nanana izay hampandriany ny lohany.

Izy ilay nariana, narian'ireo olony,
Izy ilay nolavina, nolavin'ireo namany,
Izy ilay tsy niteny raha nohelohin'ny mpiara-belona.

Izy ilay nanaiky ny sitrapon'ny Rainy,
Izy ilay nandresy ny fahafatesana,
Izy ilay hanome fiainana be dia be.

-- Aleloia ! -- Aleloia !
-- Derao ! -- Fa nandresy e !

Fa nandresy Izy e !

(Omer

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Antsao ny Tompo p. 207
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009