Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo

(Clovis Jaosoa)

Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo.
Aleloia ! Aleloia ! Aleloia ! Amena !

Ny fasany dia novohany
Ny lambany namiratra,
Dia nisy anjely nilaza hoe :
Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo.
Aleloia ! Aleloia ! Amena !

Hobio Yahveh, Aleloia !
Mahagaga re ny asany.
Derao ny Mpahary, Aleloia !
Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo
Aleloia ! Aleloia ! Amena !

Ô mifalia tany tontolo,
Ô miravoa, Aleloia !
Antsao Yahveh manao hoe :
Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo
Aleloia ! Aleloia ! Amena !

Hirao Yahveh amy lokanga,
Antsao Izy amy valiha,
Redony ny manao hoe :
Nitsangana tamin’ny maty ny Tompo
Aleloia ! Aleloia ! Amena !

Nampiditra admin
Sokajy Paka
Antsao ny Tompo p. 205
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1221