Andriamanitra Masina ô

(Bema)

Andriamanitra Masina ô ! Masina sy mahery,
Andriamanitra velona ô! Mamindrà fo aminay.

Ry vahoaka mba valio, moa ianao tsy navotako,
Novonjeko tany Ejypta, nofidiko ho vahoakako.

Ianao mba novonjeko, ‘Zaho kosa helohinao,
Ka ny Hazofijaliana no omenao ho anjarako.

‘Reny taona efa-polo, nitondrako ny zanakao,
Raha noana dia nomeko mofo avy any an-danitra, .

Ianao nomeko hery, ‘Zaho kosa kapohinao;
Ary tsilo no alaina mba hatao fehilohako.

Ry vahoaka namboleko, ho voaloboka mamy,
Nokoloiko, nofefeko sao simban’ny mpialona?

Ianao mba nolalaiko, ‘Zaho kosa fatoranao,
Ho rarimpahavalo, holatsaina, hofantsihana.

Hetaheta lozan-tany, no niantsoanao ny heriko
Vatolampy no nasaiko hisy rano hosotroinao.

Hetaheta nozakaiko, ka Izaho miantso,
Nefa indray fa vinaingitra no omenao ho andramako.

Nampiditra admin
Sokajy Karemy
Antsao ny Tompo p. 199
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0668