Noelinay

(Sherz)

GLORIA IN EXELCIS DEO (2x).

Injao manakoako ny feon’ny anjely
Ka tonga izy ireo hampiely
Hilaza vaovao ho an’ny mpiandry ondry
(Satria teraka ao Betlehema ny mpamonjy) (in-2).

Noelinay e teraka Jesoa (teraka Jesoa)
Tonga ho anao - (ilay mpamonjy soa)
Tonga hamonjy anao - (nanaiky hitia anao e).

Indro misy kintana fitarikandro
Niseho nañazava tsy toy ny isan’andro
Mitory famonjena famantaraña azy
Nanoro làlaña an’ireto Majy (in-2).

Noelinay e ...
(in-2) : Tonga ho anao; ndeha hitsaoka azy
Tonga ho anao; avia hitsaoka azy.

Tompo ô ! ianao nanaiky hidina ety
Nanetry tena ianao, be fitia
Koa ampianaro izahay e !
Hahay hanetry tena tahaka anao e !
Vetsovetsom-ponay zany atambatray ho anao.

GLORIA IN EXELCIS DEO.

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 197
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0513