Noely nintsika jiaby

(Romuald)

Teraka i Jesoa à à à !
Izay nambesantsika e e !
Tao Bethlehema à à à !
Hanavotra izao tontolo izao ô ô !
-- Mifalia ! mandehana ! à à à !
-- Ambarà amin’olo jiaby e e !
-- Aza mba misalasala à à à !
-- Fa zeñy vaovao ho anarô ô ô !

Ry Fiangonana ô, mitsangana à à à !
Avia hitsaoka Azy e e !
Tranon’omby ratsiratsy à à à !
No fitoerana nofidiny ô ! ô !
-- Mampianatra antsika à à à !
-- Mba hahay hanetry tena e e !
-- Izay no Mpanjakantsika à à à !
-- Mpañazava fañahintsika ô ô !

Mahereza ry Kristianina à à à !
Amin’ny Didy namiany antsika e e !
Miezaha hifankatia à à à !
Mba handova ny Fanjakany ô ô !
-- Hafaingano re ny dia à à à !
-- ‘Navy e, Tompo Tsitoha e e !
-- Izy miantso hoe avia à à !
-- Mba hanolotra ny fo ô ô !

Noely nintsika jiaby, Noely ninarô,
Noely an-tany atý e e !
Noely añabo añy, Noely ninarô,
Noely ! Noely ! Voninahitra ho Azy e e !

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 196
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157