Tonga nofo ny Zanak'Andriamanitra

(Jean Louis Tombolaza)

Tonga nofo ny Zanak’Andriamanitra ou,
Mba hahatonga anay ho Zanakao ou,
Nataonao iray endrika izahay, Eny !
Mba hahatonga anay hanahaka anao, Eny !
Ny fahatongavan’ny Zanakao ry Ray ô !
Misaotra e !
No nandavorary ny fifandraisanay Aminao, Misaotra e !
Notiavinao zahay, Aleloia !
Mba hitia, Aleloia, ireo nomenao, Aleloia !

Tao Aminao ny Fanahy ry Jesoa
Nanosotra Anao hitory teny Soa Mahafaly
Amin’ny malahelo sy torotoro fo
Hilaza fahafahana amy gadra sy ny jamba
Sy izay am-pahoriana sy izay mijaly --
Hitory taom-pahasoavana sy androm-pamaliana,
Omeo anay (ny) Fanahy,
Mba hahatonga anay ho irakao.

Nenjehina sy nampijaliana Ianao
Nokapohina sy nororana ihany koa
Nofantsihana tsy nitaraina
Nahantona ambonin’ny Hazofijaliana
Tanteraka hoy Ianao ny zavatra rehetra
Dia maty ary nitsangana ho velona,
Herezo izahay mba hiaritra ny fahorianay.

Nampiditra admin
Sokajy Noely
Antsao ny Tompo p. 194
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0781