Amia jôro

(Mathieu)

Fiv 1: Amia jôro zaho Dady e !
Volaño amin’ny Dadilahy
Ambarao amin’ny Razantsika è !
Izy hangaho amin’ny Zañahary è.

Fafazo rano zaho Dady e !
Volaño amin’ny Dadilahy
Ambarao amin’ny Razantsika è !
Izy hangaho amin’ny Zañahary è !

Fiv 2: -- Joroà zaho, joroà Dady e !
-- Dadilahy, zaho amià jôro ô .

Amià jôro lahy mbo hanaranara
Fafazo rano izy mbo hanjary e !
Hirin’ôlo tsy hañiry ôlo ô !
Jôro tsara mahafisaka ny lela.

Zaho ‘tô ‘ndeha hitady ny tsara
Niala tanaña niala Ray aman-dreny è !
Sañatrian’ny vava haladin’ny lela
Tsy haviñiraña zèñy tsy ady laova
Tontòtry nantsôvin-Jañahary è !
Zèñy lahy no anton’ny laho jôro ô !

Fiv 3 : -- Zèñy izy è !
-- Kè fafazo rano izy mbo hanjary Dadiko ô !.

Hanam-pañahy hanaña faharètaña
Tsy harary k’ho lavitry ny rôfy è !
Hanjary tavandraiñy amin-draha tsara
Hatsilo saiñy ary ho lavaveloñ(o) ô !

Foinay hatôlotro Zañahary è !
(Ho) taha-jôky harahin-jandry maro ô !
(Ho) to teny am-panompoaña Zañahary è !
Ho tsara añaraña anjôm-bava
Hilanja fary izy, hibaby akondro ô !
(Hi)tsikeliky hitatao antitely è !
(Ho) mamy hôditry izy amy tany himboany è !
Zèñy lahy no anton’ny laho jôro ô !

Tôkatôka (azo soloina)
ouh ! Ouh ouh ! …(olona iray)
« …rôroño, rôroño, rôroño anare Zañahary añambo ô !
Tônga zèhè amasonandro iniany e !
Zafinare è ! mila ny tsara, ho azo tavandraiñy, haharidreky amin-draha anoña.
Zèñy lahy è ! mitahià anare ô !
Antomboka avaratra, Taolañaro atsimon-tany, Masôva antirahanandro ô !
Kè fafazo rano Zafinare ô !
- Avy ny tsara ! (Olona maromaro).

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 188
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0091