Litania Tompo ô, Mamindra fo aminay

(Bema)

Tompo ô, mamindra fo aminay e !
Kristy ô, mamindra fo aminay e !
Tompo ô, mamindra fo aminay e !
Mivavaha ho anay !

Ry Masina Maria Renin'Andriamanitra ô !
Ry Masina Misely Arkanjely ô !
Anarô jiaby Anjely Masin'Andriamanitra ô !

Md Joany Badista
Md Josefa
Md Piera sy Paoly
Md André Apôstôly
Md Joany Apôstôly
Md Etienne martiry
Mb Maria Madalenina
Md Marc Evanjelista
Md Ignace tao Antiosy
Md Augustin
Md François Xavier
Mb Terezy
Md Jean Marie Vianey.

Anarô Razaña jiaby any an-danitra ô !
Anarô olo-masin'Andriamanitra jiaby e !

Afaho ‘zahay, ry Tompo ô ! (in-3).

Mba iantrao izahay e !
Amin'ireny ratsy jiaby e !
Amin'ireo fahotana jiaby e !

Amin'ny fahafatesana mandrakizay e !

Noho ianao zay tonga nofo !
Nijaly sy maty ary veloño indraiky
Noho ianao efa añy an-dañitry e !
Mañiraka ny Fanahinao
Ary amin'ny andro himpodiananao !

Mba henoy ‘zahay, ry Tompo ô !

Mpanota izahay jiaby, ampio ny Fiangonanao
Tariho lalana sy arovy
Ny Papa sy ny Eveka ary ireo mpanampy azy
Hamafiso ny finoa ny
Mpanota izahay jiaby, ampio ny Fiangonanao
Tariho lalana sy arovy
Ny Papa sy ny Eveka ary ireo mpanampy azy
Hamafiso ny finoany.

Omeo fiadanana ireo vahoaka jiaby
Hiara-monina am-piadanana
Izahay vory eto, mba herezo hatrany
Ka haharitra hanompo Anao
Ireto zanakao, tovolahy (tovovavy) voafidinao
Tsofy rano izy ireo
Ireto tovolahy (tovovavy) nofidinao, tsofy rano
Hamasino izy ireo
Ireto nofidinao, tsofy rano, hamasino
Fa hatokana ho Anao.

Tompo ô, henoy izahay e !
Kristy ô, ekeo ny vavakay e !
Tompo ô, ekeo ny vavakay e !

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 179
Karine Dera p. 418
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0249