Vato fehizoro

(Nirina Ranoelison)

Ny Tenin’ny Tompo tsy ho levona rahoviana
Ndeha re hanompo, hitory fa tsy hangina
Lasa ny zato taona, f’isika eto foana
Zato taona hafa indray, no entina hampiray.

Vato fehizoro tsy mety potika
Mbola mijoro, tsy mety rotika
‘Reo teny notorina, nanjary fifaliana
Harena sesehena, mihoatra ‘lay volamena.

Foko, firazanana, ny bado sy mahay
Notorina ‘lay fihavanana, ka nanjary tafaray
Niely nanako, niparitaka tsy niato
Nanome taratra ny Faritra ato Avaratra.

Ndeha ry zavavy, faingàna ry zalahy,
Banjino ny ho avy, mba tsy hisy hampanahy
Ny firaisantsika aza avela hangatsiaka,
Torio hatraiza hatraiza ho ren’ireo sakaiza.

Nampiditra admin
Sokajy Tanora
Antsao ny Tompo p. 178
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761