Fo madion’i Maria Malalanay

(Soeurs C.I.M.)

Fo madion’i Maria Malalanay,
Voatokana ho Anao ny Fikambananay,
Ny Relijiozin’i Diego-Suarez,
Hamasino hanahaka Anao.

Ry Maria Renin’Andriamanitra,
Ianao no mitantana ny dianay anio,
Ho amin’ny Jesoa nifidy anay.

Tompovavy sy Reny Maminay,
Arovy hisandrahaka ny Fikambananay,
Hanompo an’i Jesoa ‘lay Zanakao.

Ny fonao izay ory sy Madio,
Homem-boninahitra anie ry Maria,
Izany ny fiainana sy vavakay.

Reny tianay, ampio izahay hifankatia hatrany,
Ho toy ny iray tampo,
Ny fitiavanao anie no namory anay.

Ny Eglizy, ny Tanindrazanay,
Alofan’Izy Tompo, mba hiadana anie,
Fa nino ny Nahary ny Razanay.

Raha tapitra ny andro iainanay,
Antsoy izahay Maria hanatona anao.
Fa tianay ho hita anie ny Reninay.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 176
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207