Nandondòna tao am-ponao aho

1. Nandondòna tao am-ponao aho,
Novohainao varavarana
Ny tsikitsiky teny imolotrao iny
No nandraisanao ity vahiny.

Variana ny masoko,
Nangina ny vavako!

Nahita ny atifonao
toa tokantrano soa
Fa kanto toa tranom-bahiny
No meva sy mahasoandriana
Nos sady tsy mialon-jafy:
Izay tonga tsy mihafy!

Ampianaro aho halala-tanana,
Ampianaro aho hitsinjo ireo tsy manana
Dia ireo mangetaheta fitia
Ireo noana hasambarana,
Ampianaro aho hamoha varavarana!

Ampianaro aho hamoha varavarana!
An'ireo mangetaheta fitia,
Ireo noana hasambarana.
Ampianaro  aho hamoha varavarana!

2. Nosokafanao ny raki-ponao
Navelanao hidanadana
Hanovozako izay tiako halaina
Nitsiky ianao, tsy nitaraina.

Variana ny masoko,
Nangina ny vavako!

Fa raki-bolamena
No tianao homena

Harena tsy mba afenina
Zay maka tsy mba manenina
Omenao hozarazaraina
Mba hamelona aina!

Ampianaro aho halala-tanana,
Ampianaro aho hitsinjo ireo tsy manana
Dia ireo mangetaheta fitia
Ireo noana hasambarana,
Ampianaro aho hamoha varavarana!

Ampianaro aho hamoha varavarana!
An'ireo mangetaheta fitia,
Ireo noana hasambarana.
Ampianaro  aho hamoha varavarana!

3. Fa nahiratrao ireo masoko adala
Mpidongy hantahhanta
Nosokafanao ity foko mahantra
Tsy hikombona fa hivelatra.

Variana ny masoko,
Nangina ny vavako!

Ts'izay mandray no mahazo be
F'izay manome e!

Fa fo midadasika
Toa ranomasina
Ny fon'izay mahagfoy ny ainy
Ho an''ireo lalainy...

Ampianaro aho halala-tanana,
Ampianaro aho hitsinjo ireo tsy manana
Dia ireo mangetaheta fitia
Ireo noana hasambarana,
Ampianaro aho hamoha varavarana!

Ampianaro aho hamoha varavarana!
An'ireo mangetaheta fitia,
Ireo noana hasambarana.
Ampianaro  aho hamoha varavarana!

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Ankalazao ny Tompo p. 0
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1486