Andriamanitra Babanay

(Bema)

Andriamanitra Babanay e ! mankasitraka Anao ‘zahay
Nañandefa Jesoa Zanakao ô ! nañiraka ny Fanahy,
Nitsangan-dRasoamanarivo ô ! ho voninahitrao.

Añao nañiraka Jesoa Zanakao ô !
Hamangy ny tanin’ny Malagasy e !
Mba hitory Vaovao Mahafaly e !
Nampitsangana an-dRasoamanarivo ô !
Izy nino sy nandray ny teninao ô !
Tsy nanaiky ho resin’ny fahavalo ô !
Mba ho vavolombelon’ny finoana
Tsy voavily, hiala amin’izay nekena.

Jesoa, nitory Vaovao Mahafaly e !
Namafy hitsimoka am-pon’ny Malagasy,
Ny fitiavana ambonin’ny zaka jiaby e !
Nitsanganan-dRasoamanarivo ô !
Notandremany sady nampanjakainy e !
Niainany mba hanambarany ny hafatrao ô !
Nitoriana ny fara-fitiavanao ô !
Fitaovana nentiny handresy fankahalana.

Notanterahin’i Jesoa ny famonjena
Fanantenan’ireo olom-boafidinao ô !
Ry Victoire Rasoamanarivo,
Tsy mba nety ho resin’ny hakiviana,
Nanantena sy nandray ny famonjena,
Vokatr’ilay voatsinapy nafafinao,
Nanangan-tàñana nañeraña ny Nosy e !
Ny fanantenan-dRasoamanarivo ô !

Masina Maria, Renin’i Jesoa Tompo.
Tian’i Victoire Rasoamanarivo ô !
Nohajainy sady nampanjakainy e !
Tao am-pony sy tao amin’ny tokantrano.
Masina Maria, Renin’i Jesoa Tompo.
Mba mivavaha ho anay zanakao,
Mba hiseho eo imason’ny firenena à !
Fa olon-tsambatra Rasoamanarivo ô !

Nampiditra admin
Sokajy Olomasina
Antsao ny Tompo p. 169
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0785