Ry Md Josefa (Zôsefa)

(Mathieu)

Raha vao nandre ny hafatr’Andriamanitra
Ianao e ia !
Izay nentin’ny Anjely tamy Fahitana
Tamin’ny alalan’ny Fahitana
Dia tsy nisalasala
Nampakatra an’i Maria vadinao
Hanatanterahana ny famonjena
An’izao tontolo izao

Ray nitaiza nanolokolo
Ilay Zanak’Andriamanitra e ia
Ray niaritra ny mafy
Niezaka, niafy, niaritra ny mafy !
Nino fa Zanak’Andriamanitra
Ilay Zaza nankininy aminao
No Mpamonjy sy Mpanavotra
An’izao tontolo izao

Josefa ô, ankehitriny maro,
Ny ady hatrehinay e ia !
Fantatrao ny fijaliana sy tebiteby
Manjo anay
Miangavy anao izahay
Mba hivavaka ho anay,
Amin’Andriamanitra Ray sy ny Zanaka
Sy ny Fanahy

Ry Md Josefa mpiaro anay
Ianao no rehareha sy kiadinay
Mivavaha ho anay e ia
Hanananay ny herim-po zay nanananao
Mivavaaha ho anay
Mivavaha re
Hanananay ny herim-po zay nanananao

 

Nampiditra admin
Sokajy Md. Josefa
Antsao ny Tompo p. 167
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0515