Md Joseph

(Laurence)

Arovy ‘zahay ry Joseph, Mpiaro anay ô ô !
Fa ianao no voafidy, hitantana anay,
Ambeno ‘zahay ao an-trano,
Na hatraiza, hatraiza ô ô !
F’ianao tokoa no tena Ray mpitaiza.

Joseph ô, be voninahitra, Ray be fahefana ô ô !
Matoky anao ‘zahay rehetra,
Tantano ‘zahay, fa ianao no mamelona,
Arotsahy ny tso-dranonao avy any an-danitra.

Joseph ô, be voninahitra, Ray be fahefana ô ô !
Matoky sy miandry anao ‘zahay rehetra,
Herezo izahay, mba tsy hisaraka aminao,
Mba tsofy rano re zahay fa zanakao tokoa.

Joseph ô, be voninahitra, Ray be fahefana ô ô !
Arovy sy mba tantano ‘zahay tanoranao,
Ianao no mpiaro maherinay atý,
Manantena anie ‘zahay, tsy handao anay ianao.

Nampiditra admin
Sokajy Md. Josefa
Antsao ny Tompo p. 167
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.066