THEOTOKOS Virjiny

(Jean Louis Tombolaza)

Ry Theotokos Virjiny, Renin’ny Fiangonanay,
Tano sy arovy izahay, mba ho tena Zanakao.

Ry “Theotokos” Reninay,
Mba iantrao maso re ‘zahay,
Hivelona ny maha-zanakao
Sy ho zanaky ny Fiangonanao.

Mba omeo herim-po ‘zahay,
Hizaka ny fahorianay
Ary mba hatoky ny Fonao
Sy ny hatsaram-panahinao.

Ianao no fanalahidy,
Miditra amy Jesoa sy Fiangonana.
Mba ahazoanay alalanao
Miaina amin’ny fanjakanao.

Ianao no Renin’ny Teny,
Namolavola Teny mba ho Nofo,
Nofo aman-drà mba ho Mofo,
Ao amin’ny Eokaristia.

Ianao no nanao ny Eny,
Raha nanaiky ny Tenin’ny Anjely,
Fa hanana anaka, Virjiny ho Reny,
Zanàho koa izahay, mba tsy ho very.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 161
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0678