Reny antra

(Mathieu)

Ry Maria Reny ô !
Tsinjovy re izahay e !
Am-panarahan-dia (a)n’i Kristy Tomponay.

Mafy anie ho anay
Sedra vono maharary e !
Ampio hiarina indray
Hitondra ilay Hazo izahay.

Ianao ilay Reny tia.
Very i Jesoa hita indray e !
Fanabeazana soa
Omeo anay koa .

Ianao ilay niantra tokoa;
Tsy mamela anay hijaly e !
«Ataovy hoy ianao tanteraho
Izay lazainy aminareo ».

Maria ô Reninay e e e !
-Tantanonao ( beso)
Ny lalana hombanay e.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 160
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2225