ARAHABA RY MARIA doublon

Nampiditra: admin
Sokajy: Masina Maria,


  • Antsao ny Tompo p. "157

(Bema)

Arahaba ry Maria,
Fa nahazo joro tsara
Arahaba e !

Noharabain'ny Anjely,
Ka nandray ny Tenin'Andriamanitra, Arahaba e!
Fahaizanao nanaiky
No nazahoanay ny fototr’ainy. Arahaba e!

Ekena sy hajaina
Fa ianao no Renin’Andriamanitra,
Nahazo jôro, fa nanaiky
Ho Renin'ny Mpamonjy.

I Jesoa Zanakao no nanova
Ny rano ho divay;
Noha ianao mahay mameno
Izay banga eo amin’ny fiainanay.

Ianao ilay nijoro
Teo am-pototry ny Hazofijaliana;
Ampio ‘zahay hitraka
Raha sendra ka tojo fahoriana.

Ianao ilay nivavaka,
Niaraka tamin'ny Apôstoly
Ivavaho izahay,
Mba handray ny Fanahin-Janakao.

Nampakarina any an-danitra Ianao,
Fotony tsy azon-keloka,
Ivavahonao 'zahay,
Mba ho voninahitr'Andriamanitra !


Eugene Hery - Tel +39 338 744 2412 (Italie) - [0.0642 s.] - Hanohana anay