Maria ô

(Bema)

Maria ô ! Maria ô ! Renin’i Jesoa Zokinay,
Maria ô ! Maria ô ! Reny maminay !

Nankinin’i Jesoa taminao, ry Maria ô !
I Joany Mpianatra Malalany,
Natolony an’i Joany mba ho Reniny Ianao,
Maria ô ! Maria ô ! Reny maminay !

Ny Reny maminay, ireo zoky, zandry,
Ireo havana efa nodimandry,
Mba mangatàha, mba mitalahoa !
Mba mivavaha ho azy, ry Maria !

Nitandriñesan’i Jesoa Zanakao,
Ny fangatahanao tao Kanà,
Mba mangatàha, mba mitalahoa !
Mba mivavaha ho azy, ry Maria !

Ry Jesoa, zokinay, mba raiso ny talaho,
Andesin-dReninao sy Reninay,
Talaho avy aminay ho amin’Izy Ray !
Izay manan-joky, afak’olan-teny.

Nampiditra admin
Sokajy Masina Maria
Antsao ny Tompo p. 156
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094