Ry Fo Masin'i Jesoa, mpiaro ny fiangonanay

(Nirina Ramalala)

Ry Fo Masin'i Jesoa !
Mpiaro ny Fiangonanay,
Ry Fo malalanay tokoa,
Mamindrà fo aminay,
Ry Fo Masin'i Jesoa,
Ekeo ny vavakay.

Ry Fo feno fitiavana,
Iriko sady mamilo tokoa.
Ry fo be fiantrana,
Ilay notanterahin-defona.

Niaretanao ny mafy indrindra,
Hatramin'ny fo ratsinay.
Ovay re ny fonay vato,
Mba hanekenay ny fitiavanao.

Mba ho Fianakaviana iray isika,
Dia ny Eokaristia : Mofo 'zary Nofo.
Ilay Nofo naterak'i Masina Maria,
No hiaro sy hampihavana antsika.

Ry Fo tia sy maminay,
Manolo-tena ho Anao 'zahay,
F'Ianao irery no Mpanjakanay,
Sady lovanay mandrakizay.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 154
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1953