Fandalovana

(Auguste Roby)

Nomena anao ny fanahy,
Sy ny saina amam-pahalalana.
Nalefa ianao ety ambony tany,
Mpanjakan-javaboary, ry olombelona.
-- Anoloanao ny marina sy ny tsy rariny
-- Ka hisetra ny mangidy ianao,
-- Eo amin'ny fiainana.

Hitsena anao ny vola
Sy ny finoana an'Andriamanitra
Adidinao ny mikatsaka,
Ny rariny sy ny hitsiny e, ny fahamarinana.
-- Indray andro any, hantsoina indray ianao
-- Ka ny fiainana any ankoatra,
-- No sisa miandry anao.

Fandalovana ny eto an-tany.
Tsarovy fa araky ny asanao no hitsarana anao e
Fandalovana ny eto an-tany.
Fa lahatra Andriamanitra izany
Ka tsy azo andosirana.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 152
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228