Talaho

(Mathieu)

Andriamanitra ô ! « in-2 » (Raiko ô )
Raiko ianao e !
Miantso Anao 'ty aho,
Tolory sandry hiarenako Raiko ô !

Fa toa miangatra ianao ry taniko !
Fa ranomasoko hodinao tsy re
Andriamanitra ô !
Miantso Anao anie ity zanakao...

Reto tanoranao mitady làlana,
Fa indraindray rakotr’haizina, fiainanay e !
Andriamanitra ô !
Miantso Anao anie ity zanakao...

Ny fahoriana manjo ny maro anie
Mila tsy ho zaka nohon’ny (ha)kanosanay e !
Andriamanitra ô,
Miantso Anao anie ity zanakao...

Andriamanitra ô ! (Raiko ô)
Omeo fitiavana;
Omeo fo mino hiorenako (a)n-tratranao e !
Andriamanitra ô, Miantso Anao anie ity zanakao...

Nampiditra admin
Sokajy Fitsapana
Antsao ny Tompo p. 147
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1183