FITIAVANA NOMENAO

(Wanghou Jean Claude)

Fitiavana nomenao harahiko mandrakizay
Jesoa Zanaka Zañahary, zohinay anao
- O zohinay anao o

Asandratro ambonin’ny raha jiaby e ia
I Jesoa Zanaka Zañahary e ia
Izy nanao ny Eokaristia e ia
Namahana ny olombelon-jiaby e ia

Na añatin’ny mamy na ny mangidy e ia
Jesoa Zanaka Zañahary e ia
Izy mbo efa nisedra izeñy e ia
Hanafahana ny olombelon-jiaby e ia

Nampiditra admin
Sokajy Fitiavana
Antsao ny Tompo p. 143
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0567