Vonona ‘zaho Tompo ô !

(Julien Rakotoarinosy)

Vonona 'zaho Tompo ô, hamaly ny antsonao
Ry Tompo mahery mpitantana ahy, manoro ny diako
Ka tanterahiko izay nivolañinao ry Tompo ô
Ambarao 'zaho 'zay sitrakao.

Hanompo ireo vahoakanao
No kendriko amin'ny fiainako;
Hanampy azy isan'andro
Hiditra ao am-balanao.

Ny fanompoanao dia hasina,
Mampiseho ny fitiavana.
Mampanaiky anao ry Jesoa ô !
Fitaratra fa mpianatrao.

Hanambara ny mety atao
Amin'ny fiainana isan'andro.
Hanahaka Anao 'zaho Tompo ô !
Mba ho mendrika ho mpianatrao.

Hanampy ireo vahoakanao
Hanaraka ny baikonao,
Hanambara ny lalanao,
Amin'ny olona jiaby eran-tany.

Hankahery ireo zandrinao
Mba hanaraka Anao hatrany.
Tsy ho kivy tsy ho ketraka
F'ianao no herinay.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 138
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0288