Mahery ny antso

(Mathieu)

Teny an-dàlana mideza nizorako (Tompo ô ! feon’olon-tokana),
Tsy nisainako akory ny hoe : « hanaradia Anao »;
Tao anatin’ny kiak’izao tontolo izao,
Nifangaroan’ny tontolo tsy te-hisaina Anao.
Tompo ô, tam’ireny indrindra Ianao,
-- Nibitsika mangina,
Nanonona ny anarako (t)ao am-poko (t)ao, o !

Mahery Ianao ! (feon’olon-tokana).

Teny an-dàlana mideza nizorako (Raiko ô ! feon’olon-tokana),

Nanandramako hamaly ny Antso tao anatiko,

Nisalasala aho nanao hoe : « handroso sa hiverina »,

Tsy nahita izay hombana ny làlako maizin-kitroka.

Tompo ô, tam’ireny indrindra Ianao,

Nanamafy tao am-poko,

Ilay hery tsy hay tohaina, ka babo aho, o !

Mahery Ianao ! (feon’olon-tokana).

Teny an-dàlana mideza nizorako (Mpanavotra ô ! feon’olon-tokana),

Hanakaiky anao nefa indrisy diso làlana;

Ndeha hanorina fiainan-kafa indray anie aho

Dia nohadinoiko tanteraka izay efa mba naoriko .

Tompo ô, tam’ireny indrindra Ianao,

No nisakambina ahy,

Nanoro izay làlana hodiaviko hahasambatra ahy.

Mahery Ianao ! (feon’olon-tokana).

Teny an-dàlana mideza nizorako (Ry heriko ! feon’olon-tokana),

Hanatratra izay kinendry nikirizako,

Nifandaharan’ny adim-piainana (toa) handrotika ilay Antso !

Soa Ianao tsy mba nandao ahy tamin’ny sarotra.

Tompo ô, tam’ireny indrindra Ianao .

No nanipy fahazavana .

T(eo) an-tànan’ny Olon-tia fanasoavana .

Mahery Ianao ! (sôlô).

Fiv. :

Chœur -- Feon’olon-tokana.

Ry Iaveh ô -- - Notarihinao.

Babonao ity zaho -- - Mahery Ianao.

Fantatrao -- - Ny fahosako.

Tsisy miafina aminao -- - Ny fahalemeko .

Ny fiantsoanao ahy -- - Hitory fitiavana .

Tsy mivadika Ianao -- - Mahery Ianao.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 136
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0092