Andao !

(Auguste Roby)

Andao anie mba hiaraka aminay,
Hitory ilay teny fiainana;
Andriamanitra no antenaina,
Hanome ny valin'asanao.
-- Hasambarana ho anao,
-- ‘Zay mamaly ny antson'Andriamanitra !
-- Hasambarana ho anao,
-- Mba valio ange ny hafatray !

Andriamanitra dia tsy mivadika,
Matokisa ianao fa ho sambatra,
Ny fivavahana no hery mahasoa,
Mahavelona mandrakizay !

Ny fanenjehana tsy hahasaraka,
Ny fitiavanao ny Tompo,
Kanefa mila faharetana,
Ny fiandrasanao an'i Jesoa.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 135
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1726