Antso, fanomezana

(Mathieu)

Fanomezan-tsarobidy ho anay tokoa,
Ny niantsoanao anay ry Jesoa.
Fanomezan-dehibe sy tena ngeza;
Tolotra masina sady mateza.
(beso) Ka misaotra re !
Saotra no atolotray,
Mankalaza sy midera Anao
Nohon’ny fahambonianao.
Ka misaotra niantso anay,
- Jesoa misaotra e !

Tsy mba hoe nohon’ny fahamendrehanay,
Fa noho Ianao nifidy anay,
Satria tia anay tokoa Ianao,
Ka nanokana anay mba ho Anao.
(beso) Ka misaotra re !…

Fanomezana tsy takatry ny saina
Satria ny herinay anie die kely.
Fanomezan-tsarobidy sy rakitsoa,
Ka (ny) hany finiavanay ry Jesoa ô !
(beso) Dia misaotra re !…

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 134
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098