Izao no teny nataon’ny Tompo

(Marc sy Dieudonné)

Izao no teny nataon’ny Tompo :
« Na hihataka aza ny tendrombohitra a a !
Ka hihozongozona ny havoana a a !
Ny fitiavako tsy mba hiala aminao... »

Fantatro fa tia ahy Andriamanitra,
Niezaka namaly antsony aho.
Hasambarana feno miaraka amy Tompo,
Inty aho nanehoany ny fitiavany.

Izao no teny nataon’ny Tompo :
« Saro-bidy eo imasoko ianao,
Sy mendrika hohajaina, tia anao aho.
Aza matahotra fa momba anao aho ».

Andriamanitra toky, mahay mitia,
Mitady hatrany ny soa ho an’ny olona;
Mañitsy ny dia hizotra añy aminy,
Inty aho fa vono-kihaino azy !

Matoky ny Tompo ka nanolo-tena,
Izay mitantana sy mivimbina ahy.
Mahafaly ahy mamaly ny antsony,
Inty aho tiany natoroany làlana.

Andriamanitra tia ka miantso antsika,
Jesoa Zanany mañampy amin’izany,
Mandefa Fanahy ho fanilontsika,
Ahafantarantsika ny fitiavan’ny Ray.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 131
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5822