Ho fankasitrahana Anao

(Omer)

Ho fankasitrahana Anao Andriamanitra ô !
Noho ireo soa narotsakao ho ahy,
Indro aho vonon-kanompo Anao !
Andriamanitra ô !
Hampirohotra ny olona rehetra
Ho any aminao. O ia ie ! ( in-2 ).

Inty aho ry Andriamanitra ô !
Vonon-kanompo hikarakara
Ireo tsy mba misy mpiahy :
Ireo be antitra... Eny e !
Ireo kilemaina ... Eny e !
Ny marary hoditra... Eny e !
Hatramin'izao horaisiko ho anjarako
Ireo narian'izao tontolo izao... Eny e ! (in-2).

Ny tanako ry Andriamanitra ô !
Hiasa ho an’ny Eglizinao mahantra,
Mba ho herin'ireo mpitondra ao aminy;
Ka ho famindrako... Eny e !
Ho zary famonjena... Eny e !
Ireo diso lalana... Eny e !
Ho famantaram-pahazavana,
Ka hiverenany any aminao...Eny e !. (in-2)

Ny vavako ry Andriamanitra ô !
Ho fianaran’ireo tsy mahalala,
Mba hitiavan'izy ireo Anao,
Fa efa nafoiko...Eny e !
Ny aiko tontolo...Eny e !
Ka raiso ho Anao... Eny e !
Fa ny foko dia tokam-pitia,
Ka tsy hikatsaka raha tsy Ianao... Eny e ! (in-2)

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 128
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0212