Ilaozako ny zava-drehetra

(Germain)

Ilaozako ny zava-drehetra,
Noho ny fitiavako an’i Kristy.

Raha tianao, avia araho aho.
Tsapako ny fitiavan’i Kristy ahy,
Fitia mifamaly mahatsara fihavanana,
Te-hanokan-tena ho Azy aho,
Izany no masaka ato an-tsaiko.

Naheno ny antsony aho ka namaly e !
Raha tianao, ...avia manaraka Ahy.
Io no faniriako ka tonga Pretra,
Ho toy ny voatsinapy kely nafafy e
Misandrahaka raha voakolokolo e !

Olona no miantso ahy e
Raha tianao, ...avia manaraka Ahy e.
Tsy iza fa i Kristy Fitiavana.
Tsapako fa voafidiny aho e,
Ao anatin’ny maro.

Hafaliana manenika ny fo aman-tsaiko,
Hanara-dia an’i Kristy,
‘He ‘zany vokany, tsy nampoiziko,
Ka foiko ny handao ireo fianakaviako,
Raha tianao, ...avia manaraka Ahy e !

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 127
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233