Ny Tenin'ilay Mahery, ny Tenin'ny Tompontsika

Ny Tenin'ilay Mahery,
Ny Tenin'ny Tompontsika
Sakafon'ny aina, sakafo mamelona
Mamelona mandrakizay
Hobio sy ankalazao

1. Ny boky dimin'i Môizy:
Manazava ny Lalànao.
Ny tantaran'ireo Mpanjaka:
Manoro anay ny sitrakao
Teny mahavelona avy aminao.

2. Ireo bokin'ny Fahendrena,
Ny tononkira aman-tsalamo,
Ny mpaminany isan-tsokajiny:
Teny mahavelona avy aminao.

3. Ireo Evanjelin'ny Tompontsika,
Ombàn'ny Asan'ny Apôstôly,
Ny hafatr'i Masindahy Paoly
Samy manambara ny sitrakao
Teny mahavelona avy aminao.

Nampiditra admin
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0761