Tompo ô ndreto ny mpanomponao

(Bema)

Tompo o ‘ndreto ny mpanomponao
Tsy mendrika nefa antsôvinao
Koa mba raiso hiaraka aminao
Tapa-kevitra hañaradia Anao.

Tapa-kevitra aho ry Tompo hiaraka Aminao,
Hanao ny sitrakao mandritra ny fiainako.
Mba tsofy rano re ity mpanomponao,
Hiaraka aminao, tsy mba hiverin-dalana.

Misaotra Anao eram-po sy eran-tsaina,
Nambaranao tato am-poko ny fitiavaña,
Natoronao ny olon-tsotra ny tsiambaratelo,
Dia ilay Fitiavaña tsy manam-pahatamperaña, .

Andongalihako Anao Baba, Andriamanitra !
Amiako voninahitra amin’ny alalan’ny Zanakao !
I Kristy Tompo nañambara ny Fitiavanao,
Ka nahafoy ny ainy, hamonjy anay sakaizany.

Nampiditra admin
Antsao ny Tompo p. 125
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094